Évènements
12.10.2020
07.01.2021
Fanaovan-tsonia ny fifanarahana hiara miasa ny Humaniste_Ecologique sy ny orinasa SPAH
-Fiaraha mientana sy fianarana hoan'ny mpikambana amin'ny fikajiana ny ekolojia.
-Fanampiana ny tananan'Antananarivo Renivohitra amin'ny fampihenana ny fako eny amoron-dalana sy eny Andralanitra.
-Fanampiana ny mpandraharaha mampiasa vola eto Madagasikara (mampiodina ny orinasa Gasy)
-Fijerena ny tontolo ara-toekarena sy fiarovana ny sadam-bolan'ny Malagasy.
KOA dia nanaiky ny hifantina ny fako (Taratasy sy baoritra) izahay, ary hanentana ny mpikambana hanao izany isan-tokantrano. Omena ny ECOBAK ny fako voangona aveo.
MIANTSO ny mpiara-miobon'antoka sy mpiara miasa rehetra eo anivon'ny SPAH kosa izahay HUMANISTE_ECOLOGISTE mba hividy, hanjifa ny entana vitan'ireo mpandraharaha sy ny mpampiasa vola eto Madagasikara fa tsy ny entana nafarana avy any ivelany, mba HIAROVANA ny sadam-bolan'ny malagasy tsy hitotongana toy izay efa mitranga amizao fotoana izao.
Taratasy nalefan'ny Antoko "Humaniste et Ecologiste" tany amin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo
momba ny fanampiana ny tananan'Antananarivo sy ny Samva amin'ny fitantanana ny fako